πŒπˆπ“π€π‘πˆπŠπ€ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π’π˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€ 𝐍𝐘 π†πŽπ•π„π‘ππŽπ‘π€

265 0
Mitohy ny asa fanadiovana sy fanatsarana ny tanana ato amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro araka ny efa nambaran’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro.
Nitarika izany androany Talata 28 May 2028 ny Governora Dr Guy RAMAROSANDRATANA izay nijery ny fizotran’ny asa fanatsarana ny eny anivon’ny fitalevam-paritry ny fahasalamana ary niaradia taminy ny solombavambahoaka Andry Jean Patrick.
Nanohy ny asa fanadiovana teo amin’ny sisin’ny CEG Razaka Ambohimasina kosa ireo mpiasan’ny fiadidiana ny Faritra niaraka tamin’ireo mpiasa avy eo anivon’ny fitalevam-paritry ny fanabeazam-pirenena ary nanohy izany asa fanadiovana izany tany amin’ireo toerana efa narindran’ny kaomity avy eo.
Ankoatran’ny eny anivon’ny fitalevam-paritry ny fahasalamam-bahoaka moa dia anisan’ireo toerana tena ho atsaraina ihany koa ny « jardinΒ Β» eo amin’ny rond point technique, ny manoloana ny Lapan’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny eny amin’ny La place Ambatondrazaka.
Mitohy ihany koa ny fanamboarana vonjimaika ireo lalana eto antampotananan’Amabtondrazaka ka ny teo amin’ny Total no nasiana fanamboarana ny androany Talata.
✍️ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - dΓ©cembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑢𝑻𝑢𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’…, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…