TONGA MITSIDIKA NY FARITRA MENABE NY MINISITRY NY SERASERA SY KOLONTSAINA

221 0
✅Ny andron’ny zoma 12 Aprily no nigadona tao Belo sur Tsiribihina ny minisitrin’ny serasera sy kolontsaina Andriamananoro Augustin.
Mamita iraka amin’ny tetikasa hampodiana ny kabeson’ny mpanjaka Toera eto Madagasikara ho fameloman-kasina ny fiandrianam-pirenena, nihaona tamin’ireo fianakavian’ny Kamamy izy ary nitsidika ny toerana nanafenana ny mpanjaka Toera tao Ambiky, Mahavelonarivo, Commune rurale Bemarivo.
Androany 13 Aprily kosa izy no nigadona teto amin’ny renivohitry ny faritra Menabe izay notsenain’ny minisitra mpiahy Haja Resampa sy ireo olom_panjakana eto Morondava izay notarihiny Préfet ny Morondava Rafidison Fidèle sy ny Governoran’ny Faritra Menabe.
Nivoitra tamin’ny fifampiresahana teo amin’ny fitsenana azy ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanendrena ny ho talem-paritry ny faritra Menabe izay miankina amin’ny minisitra mpiahy ny faritra Menabe ny fijerena ny olona tokony hitazona io andraikitra io.
✅Nisaotra ny fitondrana foibe tamin’ny alalan’ireto minisitra roa ireto moa ny Préfet ny Morondava Rafidison Fidèle tamin’ny mbola mbola nametrahana ny fitokisana azy ho préfet ny Morondava indray.
✅Nilaza koa moa ny préfet ny Morondava fa mbola maro ireo tomponandraikim-panjakana tokony tokony hanendrena tompon’andraikitra ato amin’ny faritra Menabe ka miangy ny Governemanta hijery akaiky izany indrindra amin’izao vanim_potoana hiatrehana ny fifidianana izao.
✅Nilaza moa ny minisitra Haja Resampa izay minisitra mpiahy ny faritra Menabe fa manentana ny olona rehetra ny tenany hifidy amin’ny fifidianana solombavambahoaka ary malalaka ny rehetra satria tany demokratika I Madagasikara ka malalaka amin’ny safidiny ny tsirairay fa ny zava-dehibe dia ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fifidianana.
                                                                                                         
                                                                                                                                          🖋️Ra_Pa Menabe

Related Post

𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚   𝐧𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲

Posted by - mars 28, 2025 0
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚  ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…