Ny 06 jolay 2024 tokony ho tamin’ny 07 ora maraina ,dia nahazo antso tamin’ny olona tsara sitram-po ny Kaomandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria,ny GPHC Rivo Randriamilamina,fa tratehaky fokonolona izy telo lahy ireo. Efa naratra bé tratran’ny fitsaram-bahoaka,ary tonga ny Zandary naka azy ireo.
Noentina notsaboina tamin’ny Hopitaly ary natao andrimaso ato amin’ny Tobi-paritry ny zandary eto toamasina. Nandrava sy nangalatra tao amin’ny tokantrano maromaro izy ireo, dia tao Mangarano ,Mangarivotra ary Tanambao Verrerie araka ny fanadihadiana nataon’ny Zandary.
Nandritra ny fisavana ny tranon’iray tamin’ireo mpangalatra ireo dia entana maromaro no hita tao.
Marihana moa fa nanampy ny Zandary tamin’ny fitondrana ireo olon-dratsy ireo , ny Polisy ao amin’ny Commissariat Mangarano.
Mbola misy entana hafa tsy hita ho karohina fa mbola nandositra ary karohina ny naman’ireo olondratsy mitazona azy.
Nangon’i Claudia Tsitolomy Tena Izy