Toamasina : Feno fankasitrahana ny fitondram-panjakàna ny mponina ao Morarano,manoloana ny fahavitan’ny lalana avy eo amin’ny 4 Chemins Morarano hatrany amin’ny lalan-tapaka Verrerie.
Raha tsiahivina dia nandritran’ny taona maro no nisedra olana ny mponina manoloana ny faharatsian’io lalana io. Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakàna,tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy fa hatao laharam-pahamehana ny fanamboarana io lalana io,ka dia vita tsara izy ao.
Manoloana an’izany dia nankasitraka ny Minisitry ny Asa Vaventy Atoa Rafidison Richard Theodore ( Zamanjaza Zamanjaza ) sy Rtoa VPAN Toamasina iz’ireo androany, sady nisaotra ny Governoran’ny Faritra Atsinanana Mpisolo toerana sy ny Ben’ny Tananan’ny Toamasina.
Nahavita ny azy ny Fitondram-panjakàna ,fa anjaran’ny vahoaka kosa no mikolokolo ny fotodrafitr’asa,ka nanatanteraka asa tanamaro famafan-dalana ,ireo fikambanam-behivavy sy ny lehiben’ny fokotany ao amin’ny arrondissement Morarano androany.
Tonga nanotrona az’ireo ireo Tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra Atsinanana sy ny Commune Urbaine de Toamasina.
Tontosa anndroany sabotsy faha 16 Martsa 2024 tao amin’ny Hôtel les bougainvilliers Morondava ny Fihaonam-be voalohany ny fikambanana MORONDAVA BEMIRAY…
✦Anatiny fiomanana fiatrehana fetin`ny paska ny ankabetsahan`ny vahoaka amin`izao, manoloana izany tsy miraviravy tanana ny Zandarimariam-pirenena fa hiaro ny vahoaka…