Toamasina | Ady tany ao Ambalamanasy Carreaux 2

14 0
OLANA ARA-TANY: Anisan’ny vaovao nahoraka ny herinandro lasa teo ny raharaha ady tany ao Ambalamanasy Carreaux 2,izay ifanolanan’ny olona maromaro sy ny Tompon’ny Tany dia ireo mpandova..
 
πŸ“Œ Tany mirefy 53 hekitara ,miisa 50 ny mpandova fa olona telo no nahazo alalana ( Procuration) hikarakara ny raharaha mahakasika an’io tany io arakan’ny tapaky ny fianakaviana. Efa titrΓ¨ io tany io izay mitondra ny anarana Β Β» Fanambinana Herisoa TFN 8175BA sy ny FIADANANA Ravolamanjato TFN 1258 BA)Β Β»
Tany amin’ny taona 1939 no nazahoan’ny dadaben’izy ireo an’io tany io araka ny Bokin-tany izay eo ampelatanan’izy ireo.
 
 
πŸ“Œ  Ny 20 hekitara mahery kely no onenan’olona sy nanaovana olona fanorenana fa horaka kosa ny Ambiny. Miisa 138 tokatrano izy ireo,fa rehefa nisy kosa ny fifampiresahana tamin’ny andaniny sy ny ankilany dia niisa 60 tokatrano teo ho eo no nanaiky nifanaraka tamin’ny tompon’io tany io ka nividy amin’izy ireo ary aloa tsikelikely ny vidiny .
 
πŸ“Œ Nampiantso Mpanao Gazety ka nitondra fanazavana ireo Tompon’ny Tany.
 
πŸ†” Nangonin’i Claudia Tsitolomy 

Related Post

π“πŽπ€πŒπ€π’πˆππ€ | ππŽπƒπŽπ‘π€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π•π€π‘π˜ π’πˆπŒππ€

Posted by - janvier 14, 2024 0
π“πŽπ€πŒπ€π’πˆππ€ | ππŽπƒπŽπ‘π€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π•π€π‘π˜ π’πˆπŒππ€   Notanterahina omaly tao Tanandava ny fandorana ireo vary simba ,izay hita tao amina…