TILY FARITANY ITASY – NANATANTERAKA LASY FANOFANANA MPIANDRAIKITRA

200 0

Ofana naharitra 6, nanomboka ny 26 Desambra ka hatramin’ny 31 Desambra taona 2024 lasa teo no notanterahin’ny Faritany Tily eto Itasy, izay natao tao Faliarivo Soavinandriana Mpiandraikitra Tily miisa 100 mianadahy teo ho eo no tonga nanatrika ity ofana ity, ary nahita ny Sokajy rehetra misy eto anivon’ny Tily eto Madagasikara, dia ny Sampana Mavo, Sampana Maitso, ary ny Sampana Mena. Tanjona tamin’ity ofana ity dia hampitomboina bebe kokoa ny fahaiza-manao, sy fahaiza-mitarika hananan’ireto Mpiandraikitra ireto, ary natokana hoan’ny Mpiandraikitra Tily irery ihany ity ofana ity araka ny fanazavana nomen’i Falengy Sariaka Filohan’ny Lasy.

Mivelatra ao anatin’ny Distrika 3, eto anivon’ny  Faritra Itasy  ny Faritany Tily Itasy, ary ahitana Fivondronana miisa 54, arak any fanampim-panazavana nentin’i Mamiratra RAHARINANTOANINA izay Filoham-paritany Tily Itasy. Nasiany tsindrim-peo manokana fa mavitrika ary mazoto ny Mpiofanana nanatrika izao fiofanana izao, misy mihintsy aza hoy izy nandeha tongotra nahatritra iray andro sy tapany vao nahita fiara nahatongana teto, kanefa dia mbola tarehy miramirana sy fo feno tsiky hatrany no hita eny amin’ny endrik’ireto Mpiandraikitra Tily ireto. Nambarany hatrany fa fanabeazana mahomby tanteraka ny fanabeazana Skoto, na dia somary hafahafa aza ny fandraisan’ny mpiara-belona azy.

Fa Fiofanana ampy ary mifandraikitra amin’ny vanin’andro ankehitriny no omena ny ny Mpiofana ary tsy mena mitaha amin’ny fiofanana hafa io kosa indray no nolazain’i Fosa Kingasaina izay Talen’ny Fanofanana Mpiandraikitra Faritany Tily Itasy raha tafaresaka taminay.

Tiana hatrany ny manamarika fa feno 100 taona ny Fanabezana Skotisma eto Madagasikara, ka hetsika marolafy no efa nanombohana sy nanamarihana izany tsingerin-taona miezinezina izany.

Mahatoky ny Tily, satria Tily indray andro… Tily mandrakizay

 

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…