ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

264 0
 
🛑Hetsika iray manan-danja no nokarakarain’ny mpianatra, session d’été, ao amin’ny oniversité tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 amin’ny taranja rehetra, Administration/Management, Communication, Droit, Diplomatie/Sciences Politiques Informatique, ary Tourisme.
 
⭕ Ao anatin’ny tetik’asa « ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA» ity hetsika ity izay natao indrindra mba hivelaran’ny maha-olona ireto mpianatra izay hiatrika ny tontolon’ny asa atsy ho atsy, ary hahafahany ihany koa manampy ny traik’efany rehefa ho lasa mpandraharaha sy mpitantana orinasa izy ireo.
 
🚫 Fanamby lehibe no tontosa satria dia afaka nitondra ny anjara birikiny ho an’ireo ankizy sahirana izy ireo tamin’ny alalan’ny fizarana kilalao sy vatomamy amin’izao fetin’ny noely izao. Tsy adino ihany koa ny kanokanona madinika ilaina amin’ny tokantrano toa ny savony entina hidiovana.
 
🎀 Ankizy miisa 500, izay nizara fokontany 2, Antetezana afovoany sy Andohatapenaka II, no nisitraka izany fizarana hafaliana izany.
 
❌ Raha avy any amin’ny tontolom-piaraha-monina samihafa ireto mpianatra ireto dia nahafahany mijery ary mahafantatra ny zava-misy sy trangam-pianana any amin’ireo tontolom-pîaraha-monina izay tsy niainany ity tetik’asa ity.
 
⛔ Efa tao anatin’ny 15 taona nisesy izay no nanatanterahana ity hetsika ity raha 22 taona izay no nijoroan’ny ESTIIM’.
 
📌Marihina fa efa misandrahaka eny anivon’ny tontolon’ny asa ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny ESTIIM’ , ary dia nanampy azy ireo hatrany ny fahafahany misokatra amin’ny hafa sy mihaino ny hafa ny tetik’asa toa itony.
 
📢 Hetsika iombonana ao anatin’ny tetik’asa ihany ity hetsika ity fa samy manana ny tigetrany faritany avy ireo taranja 6 misy amin’ny Oniversité ESTIIM’ ity.
 
⚓📍 Raha maro ny milaza sy mitsikera fa nobeazina hibaiko fotsiny eo ambony latabatra ny tanora mivoaka amin’ny Oniversité dia sahy milaza ary mahatoky ireo mpianatra ao amin’ny ESTIIM fa hivoaka miaraka amin’ny fahaizana noratoviny miampy ny fahalalany ny fiaraha-monina eto Anivon’ny Riaka izy ireo.
 
❌❌ Mila tanora vonona ary sahy hiatrika ny ho avy ny firenena mba hirosoana any amin’ny fampandrosoana, ary mitondra ny anjara biriky amin’izany ny oniversité ESTIIM’ ka alao hery ary ry tanora namana. .❌❌
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝑵𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑶𝑭𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑵𝒀 𝑴𝑶𝑭𝑶𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑶 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑵𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 ᴀʟᴀʀᴏʙɪᴀ…