Nohon’izany dia mitohy tsy misy hatak’andro hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana « kidnapping, » izay nanao sesilany tao ho ao, raha any amin’iny faritra voalaza etsy aloha iny no resahina.
Nisy hatrany ny fidinana ifotony tamin’ireo tanàna mafana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana miseho, toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra: Brieville, Ambakireny, Manakana, Ampandrana, izay hadinihana ny ady amin’ny kidnapping sy halatr’omby, fanafihana mitam-piadiana.
Izany moa dia notarihin’ny préfet faritra Betsiboka, Solombavam-bahoaka any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, lehiben’ny ZDS Ankarafantsika, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, DMR Betsiboka, manamboninahitra avy amin’ny tafika sy Zandary, ary ireo ben’ny tanàna sy ny filoham-pokontany any an-toerana rehetra.
Nafana ny adi-hevitra nandritra izany teto, satria samy tehametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ny tsirairay mba afahan’ireo vahaoka miverina am-pilaminana ny fiainany teo aloha.
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa 𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚 ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…
Nitrangana fanafihan-jiolahy mitambasy tao amin’ny kaominina Ivato Centre Distrika Ambositra Fokontany Ambalalehibe Ny hariva ny alahady 16 jona tokony ho…
Manoloana ny fanambarana tsy nisy fanadihadiana,sy fanasoketana ny mpiasam-panjakàna iray ao Marolambo,dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny Solombavambahoaka voafidy tao Marolambo…