Nohon’izany dia mitohy tsy misy hatak’andro hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana « kidnapping, » izay nanao sesilany tao ho ao, raha any amin’iny faritra voalaza etsy aloha iny no resahina.
Nisy hatrany ny fidinana ifotony tamin’ireo tanàna mafana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana miseho, toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra: Brieville, Ambakireny, Manakana, Ampandrana, izay hadinihana ny ady amin’ny kidnapping sy halatr’omby, fanafihana mitam-piadiana.
Izany moa dia notarihin’ny préfet faritra Betsiboka, Solombavam-bahoaka any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, lehiben’ny ZDS Ankarafantsika, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, DMR Betsiboka, manamboninahitra avy amin’ny tafika sy Zandary, ary ireo ben’ny tanàna sy ny filoham-pokontany any an-toerana rehetra.
Nafana ny adi-hevitra nandritra izany teto, satria samy tehametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ny tsirairay mba afahan’ireo vahaoka miverina am-pilaminana ny fiainany teo aloha.
TOAMASINA : Feno roa taona ny FPA Fikambanamben’ny Polisim-pirenena Atsinanana. Notanterahina omaly ny fifampiarahabana nahatratraraa ny taona vaovao ho azy…
Naravon`ny fanjakana mahefa ato anatin`ny faritra Sofia ny olana goavana nampisavorovoro sain`ny maro momba ny fiompiana omby ato anatin`ny distrikan`i…
Andry niankinan`ny mponina teo anivon`ny fiarahamonina tao Ambodiamotana Kianga distrikan`i Mandritsara i Tompokolahy, RAMANDANONA Béni Victor dit VELONAMBO, teraka tamin`ny…