TRANGA FAKANA ANKERINY TAO TAOLAGNARO : AVOTR’IREO ZANDARY I ERICO, JIOLAHY 4 VOASAMBOTR

308 0
Ramatoa iray efa malaza mpivarotra Zaza antsokosoko no namboraka avy hatrany ny fomba ratsin’izy ireo nandritry ny famotorana sy fisamborana ireo jiolahy naka ankeriny an’i Erico Zazalahy 10 taona, tao Tanambao I Taolagnaro Anôsy, ny 01 novambra 2023.
 
Noho ny hakingana sy fahaizamanaon’ireo Zandary Mpanao famotorana dia ny ampitson’io ihany ireo jiolahy miisa 4 dia voasambotra tany Tsiharoa / Mahatalaky distrika Taolagnaro.
 
Mitohy ny famotorana lalina saingy efa avoaka etoana mba hitandreman’ireo Ray aman-dReny sahady ny amin’ny mba hanaramaso lalandava ny ankizy amin’izao fotoam-pialantsasatra fohy izao fa ny ratsy tsy kely lalana.
 
PS: nalaina tao amin’ny takelaka manokana ny InfoCom Seg

Related Post

𝗕𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝘁𝗮𝗳𝗮𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗮 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝘆

Posted by - juillet 16, 2026 0
𝗖𝗲𝗻𝘁𝗿𝗲 𝗢𝗽𝗲́𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗻𝗲𝗹 𝗔𝗻𝘁𝗶-𝗘𝗻𝗹𝗲̀𝘃𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝘀𝗮𝗿𝗶𝗮 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 : 𝗕𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝘁𝗮𝗳𝗮𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗮 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝘆 Ho fanamafisana ny…