TAFIKA ANDRANOMASINA ANTSIRANANA: NOTOKANANA ANDROANY NY SEMAPHORE CAP -MINÉ SY NY POSTE DE SECOUR- SAUVETAGE RAMENA.

463 0
Tontosa androany Alarobia 25 Septambra 2024 ny Fitokanana ny Sémaphore CAp- Miné ( Orangea) sy ny poste de SECOUR- Sauvetage ( Ramena). Ny Sémaphore moa dia fanaraha- maso ny fivezivezen’ny Sambo ato amin’ny fari- dranomasina.
Ny Base Navale Antsiranana no misitrak’azy ity , mifandray sy miara- miasa amin’ny « État-Major de la marine Nationale » ary fiaraha- miasa eo amin’ny TAFIKA Malagasy sy ny TAFIKA Frantsay no nahazoana izao Fampitaovana izao araka ny fanazavana nomen’ny Capitaine de Vaisseau RAMORASATA Gislain Dimbiarivony.
Tonga nanotrona ity fitokanana ity ny Vice- Amiral JEANNOT Assany  » Sécretaire Générale du Ministre des Forces armées,Vice- Amiral Honoré GA- JACQUY » Major Générale des armées, ny Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Ankarana, sy ireo manam- boninahitra miaramila maro ary ireo sivily manan- kaja maro tarihin’ny préfet Antsiranana MANANJARA Lucien, Goverinora ny Faritra DIANA Taciano RAKOTOMANGA , Solombavambahoaka voafidy teto Antsiranana I, RAHELIANTA Jocelyne.
Tazana teny ihany koa ny Delegasionina Frantsay izay tarihin’ny Ambassadeur Frantsay Andriamatoa Arnaud Guillois, Général des corps d’armées, Régis Colcombet ,  » Directeur de la coopération de sécurité et Défense.

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…