TAFIKA ANDRANOMASINA ANTSIRANANA: NOTOKANANA ANDROANY NY SEMAPHORE CAP -MINÉ SY NY POSTE DE SECOUR- SAUVETAGE RAMENA.

563 0
Tontosa androany Alarobia 25 Septambra 2024 ny Fitokanana ny Sémaphore CAp- Miné ( Orangea) sy ny poste de SECOUR- Sauvetage ( Ramena). Ny Sémaphore moa dia fanaraha- maso ny fivezivezen’ny Sambo ato amin’ny fari- dranomasina.
Ny Base Navale Antsiranana no misitrak’azy ity , mifandray sy miara- miasa amin’ny « État-Major de la marine Nationale » ary fiaraha- miasa eo amin’ny TAFIKA Malagasy sy ny TAFIKA Frantsay no nahazoana izao Fampitaovana izao araka ny fanazavana nomen’ny Capitaine de Vaisseau RAMORASATA Gislain Dimbiarivony.
Tonga nanotrona ity fitokanana ity ny Vice- Amiral JEANNOT Assany  » Sécretaire Générale du Ministre des Forces armées,Vice- Amiral Honoré GA- JACQUY » Major Générale des armées, ny Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Ankarana, sy ireo manam- boninahitra miaramila maro ary ireo sivily manan- kaja maro tarihin’ny préfet Antsiranana MANANJARA Lucien, Goverinora ny Faritra DIANA Taciano RAKOTOMANGA , Solombavambahoaka voafidy teto Antsiranana I, RAHELIANTA Jocelyne.
Tazana teny ihany koa ny Delegasionina Frantsay izay tarihin’ny Ambassadeur Frantsay Andriamatoa Arnaud Guillois, Général des corps d’armées, Régis Colcombet ,  » Directeur de la coopération de sécurité et Défense.

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…