SOMBINTSOMBINY AMIN’NY FAHAPOTEHAN’NY ALA ATO BELO – TSIRIBIHINA

287 0
Nidina ifotony nijery ny fahapotehan’ny ala ao aminy Fokotan’i Moravagno Kaominina Boalimena Distrika Belo/Tsiribihina, omaly Asabotsy 20 Jolay 2024, ny mambran’ny OMC/Dist notarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Distrika sy ny Assistant Parlementaire ary ny Lehiben’ny Ala eto an-toerana.
Hektara maro no potika. Ao ny may, ao ny vao vita tetika, ao ny efa lasa tany ngazana tanteraka.
Marihina fa misy tanâna mitsitokotoko saingy tsy ahitana olona ireo toerana potika ireo. Amin’ny atoandro dia miafina ny olona ao ary amin’ny alina izy ireo no manao izao fanapotehana izao.
Hisy ny fanadihadiana sy fepetra horaisina manoloana izao fahapotehana izao ary tsy ho ela intsony satria mifanohitra tanteraka amin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana ho « Madagasikara maintso » izao toe-javatra izao
Angom-baovaon’i Kokia Mihary

Related Post

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…