SOMBINTSOMBINY AMIN’NY FAHAPOTEHAN’NY ALA ATO BELO – TSIRIBIHINA

471 0
Nidina ifotony nijery ny fahapotehan’ny ala ao aminy Fokotan’i Moravagno Kaominina Boalimena Distrika Belo/Tsiribihina, omaly Asabotsy 20 Jolay 2024, ny mambran’ny OMC/Dist notarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Distrika sy ny Assistant Parlementaire ary ny Lehiben’ny Ala eto an-toerana.
Hektara maro no potika. Ao ny may, ao ny vao vita tetika, ao ny efa lasa tany ngazana tanteraka.
Marihina fa misy tanâna mitsitokotoko saingy tsy ahitana olona ireo toerana potika ireo. Amin’ny atoandro dia miafina ny olona ao ary amin’ny alina izy ireo no manao izao fanapotehana izao.
Hisy ny fanadihadiana sy fepetra horaisina manoloana izao fahapotehana izao ary tsy ho ela intsony satria mifanohitra tanteraka amin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana ho « Madagasikara maintso » izao toe-javatra izao
Angom-baovaon’i Kokia Mihary

Related Post

Fédération Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - décembre 17, 2023 0
𝐅𝐞́𝐝𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐞 𝐊𝐮𝐧𝐠-𝐅𝐮 𝐖𝐢𝐬𝐚 — 15 décembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…