SEKOLY AMBONY KATOLIKA ASJA MORAMANGA

456 0

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy n’y Alatsinainy faran’ny volana septambra teo ny « université catholique ASJA Moramanga », sekoly Ambony eo ambanin’ny fiahian’i DON BOSCO.

Lanonana notarihan’i Evekan’ny Diosezin’i Moramanga Son Excellence Monseigneur ROSARIO Saro Vella, notron’ny fianakaviambe ny sekoly, ny Mpitantana, Mpanabe ary ireo tanora mpianatra vaovao hisantatra ny sekoly hoan’ny taona voalohany (L1) Droit, Économie et Commerce no lalam- pihofanana hoan’ny taona akademika 2024-2025.Ao amin’i Saint Joseph no ivon- toeram-pampianarana.

Niainga tamin’ny teny Faneva  » Fiainana sy Fanantenana » no namelabelaran’ i Eveka ireo hafatra maro mifono hanatra an’ireo Tanora sy ny Mpuandraikitra rehetra, mialohan’ny nanomezany tso- drano azy ireo.
Tonga nanome voninahitra sy nifanotrona tamin’ny Fianakaviambe ny Sekoly ny Solombavambahoaka Lova Herizo RAJAOBELINA. Nandritra ny fandraisam- pitenenany no nilazany fa tombony lehibe hoan’ny Faritra sy ny Firenena ny fijoroan’ny Oniversite ASJA. Indrindra hoan’ireo Ray aman- dReny tsy mba manana fahafahana noho ny fahasahiranana amin’ny handefasana ireo zanany handrato fianarana an- tany lavitra.

Ny toeram-pampianarana KATOLIKA manerana ny Nosy dia manana ny lanjany sy matihanina eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana.
Mirary soa hoan’ireo Tanora mpianatra hisantatra ny sekoly, ho tafita soa.

Nangonin’i Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…