Mahajanga โ Efa tapa-bolana izao no tsy hita popoka ilay sambo mitondra ny anarana A.W, izay niainga avy ao Mahajanga ho any Anjouan (Komoro) niaraka taminโny mpandeha miisa 30. Na dia efa natao aza ny fikarohana anโhabakabaka sy an-dranomasina, dia mbola mitohy hatrany ny mistery manodidina ny nanjavonany.
Araka ny loharanom-baovao azo taorianโny fivoriana niarahanโireo tomponโandraikitra isan-tsokajiny, dia handefa fiaramanidina roa avy aminโny Tafika Maorisiana rahampitso, ho fanampiana aminโny fikarohana.
Ireo teknisianina sy manampahaizana momba ny fifamoivoizana an-dranomasina dia mamoaka vinavina maromaro:
– mety maty motera teny an-dranomasina, na nogiazanโny jiolahin-dranomasina.
Tsy misy manamafy izany ahiahy anefa hatreto ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, fa miandry valin’ny fikarohana hentitra sy fanamafisana avy aminโny manam-pahefana nyrehetra.
Andaniny, miandry am-pitoniana anaty tebiteby ny fianakavianโireo olona ao anaty sambo, ary manantena hatrany ny hahita na haheno vaovao mivaingana mahakasika ity raharaha ity.
Mitohy hatrany ny fikarohana, ary antenaina hisy fanazavana mazava ao anatinโny ora na andro vitsy ho avy.