π’πšπ¦π›π¨ 𝐀.𝐖: 𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐛𝐨π₯𝐚 𝐑𝐒𝐭𝐚 π‘πšπ­π«πšπ¦π’π§β€™π§π² πŸπŸ“ 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐚𝐭𝐲 𝐚𝐨𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚

627 0
Mahajanga – Efa tapa-bolana izao no tsy hita popoka ilay sambo mitondra ny anarana A.W, izay niainga avy ao Mahajanga ho any Anjouan (Komoro) niaraka tamin’ny mpandeha miisa 30. Na dia efa natao aza ny fikarohana an’habakabaka sy an-dranomasina, dia mbola mitohy hatrany ny mistery manodidina ny nanjavonany.
Araka ny loharanom-baovao azo taorian’ny fivoriana niarahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, dia handefa fiaramanidina roa avy amin’ny Tafika Maorisiana rahampitso, ho fanampiana amin’ny fikarohana.
Ireo teknisianina sy manampahaizana momba ny fifamoivoizana an-dranomasina dia mamoaka vinavina maromaro:
– mety maty motera teny an-dranomasina, na nogiazan’ny jiolahin-dranomasina.
Tsy misy manamafy izany ahiahy anefa hatreto ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, fa miandry valin’ny fikarohana hentitra sy fanamafisana avy amin’ny manam-pahefana nyrehetra.
Andaniny, miandry am-pitoniana anaty tebiteby ny fianakavian’ireo olona ao anaty sambo, ary manantena hatrany ny hahita na haheno vaovao mivaingana mahakasika ity raharaha ity.
Mitohy hatrany ny fikarohana, ary antenaina hisy fanazavana mazava ao anatin’ny ora na andro vitsy ho avy.
✍️‘Lay Mahitsy

Related Post

π‹πšπ₯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐒 𝐯𝐚𝐀𝐒𝐧𝐚𝐀𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐒𝐑𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 π¦π’π‘πšπ¬π’π¦π›πš

Posted by - janvier 16, 2024 0
π‹πšπ₯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐒 𝐯𝐚𝐀𝐒𝐧𝐚𝐀𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐒𝐑𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 π¦π’π‘πšπ¬π’π¦π›πš   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…