Anisanโireo nandray anjara taminโny hetsika tolo-tanana ho fanampiana anโi Toamasina manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani ihany koa ny mpisehatra aminโny haino aman-jery eto Mananjary, notarihin-dRtoa Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ato aminโny faritra Vatovavy.
Androany no nitondranโizy ireo ny anjara birikiny ho mariky ny firaisan-kina sy fiombonam-po aminโireo havana traboina any an-toerana, izay maneho fa mitoetra ho iray sy miray hina hatrany ny samy Malagasy rehefa sendra voina sy fahasahiranana.




