๐ƒ๐‘๐„๐ ๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ๐Ÿ•,๐Ÿ—๐ŸŽ% ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐๐€๐“๐‘๐€ ๐€๐“๐Ž ๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ๐ˆ๐‡๐€๐๐˜ ๐๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐€๐’๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€

577 0

Nanantanteraka fiarabana tratrinโ€™ny taona ny fitaleovam-paritry ny fanabeazam-pirenena ato Menabe niaraka taminโ€™ny farimpiadidiam-pampianarana Morondava ka nandritra izany no nitondranโ€™ny talem-paritra mpisolo toerana ny tatitrโ€™ireo asa vita nandritranโ€™ny taona 2024 lasa iny ka fantatra taminโ€™izany fa mpampianatra sy mpandraraha eo aninโ€™y fampianarana ato Menabe miisa 3844 no nisitraka fampihofanana ary dabilio 120 no nozaraiana ho anโ€™ny fanabezana fototra tato Menabe taminโ€™iny taona 2024 iny .

Miisa 4073 moa ny mpampianatra rehetra ato Menabe ka ny 322 ihany no mpiasam-panjakana izany hoe ny 7,90 anโ€™ireo mpampianatra rehetra ato Menabe raha miisa 1442 kosa efa nahazo fifanaraham-piarahamiasa (contractuel) ary 2 309 dia mpampianatra FRAM avokoa izany hoe 56 ,69 isan-jatonโ€™ireo mpampianatra ato Menabe ; nambaranโ€™ny talemparitra mpisolo toerana nandritrinโ€™ny tatitry tatitra nataony ihany koa fa ny 80,95 isan-jatonโ€™ireo mpampianatara ato Menabe dia eny aminโ€™ny tontolo amabanivohitra .

Na dia eo aza izany dia manao ezaka lehibe ny minisiteranโ€™ny fanabeazam-pirenena ho anโ€™ny faritra Menabe aminโ€™ny alalanโ€™ny fitaleovam-paritra aminโ€™ny fampivoarana ny fampianarana ato Menabe satria ny tarigetranโ€™izy ireo dia ilay teninโ€™ny Nelson Mandela hoe ยซ Ny fahalalana dia fitaovam-piadiana mahery vaika manova izao tontolo izao ยป ka mba hanatan-terahana izany dia maro ireo sekoly naorina satria dia miisa 54 izany taminโ€™iny taona 2024 iny izay nataonโ€™ny minisitera sy ireo mpiara-miombonantoka aminy eo koa ireo sekoly manarampenitra izay miisa 14 efa an-dalampahavitana saingy misy olana avokoa ka anatinโ€™ny mitady vahaolana tanteraka ny fitaleovam-paritra sy ny minisitera aminโ€™izao ny mba hanafangainana ny famitana ireo sekoly manarampenitra ireo .

Etsy ankilany dia entitra aminโ€™ny ady aminโ€™ny kolikoly ny fitaleovam-paritry ny fampianarana fototra ato Menabe ka hamafisina ny fanaraha-maso sy fampihofanana ny FEFFI mba hanatsarana hatrany kalitaonโ€™ny fanabeazam-pirenena ato Menabe sy hampiakarana ny vokatra tsara satria ny taona 2024 dia 80,73% anโ€™ireo mpiadina nanala ny fanadinam-panjakana CEPE no afaka raha 78,99 % kosa ny ho anโ€™ny mpiadina BEPC.

 

Nangononโ€™i RA PA

Related Post

๐…๐€๐๐Š๐€๐‹๐€๐™๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐`๐๐˜ ๐’๐„๐Š๐Ž๐‹๐˜ ๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€

Posted by - mars 1, 2024 0
๐…๐€๐๐Š๐€๐‹๐€๐™๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐`๐๐˜ ๐’๐„๐Š๐Ž๐‹๐˜ ๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€- ๐๐ˆ๐…๐€๐๐“๐Ž๐Š๐€ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐`๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐Ž๐‰๐€๐Š๐Ž๐‰๐€๐๐€ ๐“๐€๐๐ˆ๐-๐“๐’๐„๐Š๐Ž๐‹๐˜ ๐€๐‘๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐‹๐€๐๐€ ๐•๐Ž๐‹๐˜ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐€๐๐Š๐ˆ๐™๐˜ ๐—ก๐—ฌ ๐—ฆ๐—˜๐—ž๐—ข๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—ก๐—š๐—ข   Tsy nataon`ny mpitantana ny…

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…

๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐— ๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐— ๐—•๐—”๐—›๐—ข๐—”๐—ž๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข ๐—ก๐—œ๐—ญ๐—”๐—ฅ๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ž๐—”๐—ข๐— ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข

Posted by - septembre 12, 2024 0
๐™ท๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐šŠ๐š๐š’๐šœ๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š™๐š˜๐š•๐š’๐š๐š’๐š”๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š๐šŠ๐š—๐š“๐šŠ๐š”๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š๐š˜๐š’๐š‹๐šŽ ๐šœ๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š›๐šŠ๐šข ๐šŠ๐š–๐šŠ๐š—-๐š๐š›๐šŽ๐š—๐šข ๐šŠ๐š–๐š’๐š—โ€™๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐š๐š’๐š๐š’๐š›๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ๐š๐š›๐šŠ ๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐šŠ๐š›๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š–๐š™๐š˜๐š›๐š’๐šœ๐š’๐š‘๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š’๐š›๐šŽ๐š˜…