๐— ๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ญ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”-๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ฆ๐—œ๐—”

59 0
๐…๐€๐๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž ๐†๐€๐™๐„๐“๐˜
๐€๐ง๐ญ๐š๐ง๐š๐ง๐š๐ซ๐ข๐ฏ๐จ, ๐Ÿ๐Ÿ– ๐…๐ž๐›๐ซ๐จ๐š๐ซ๐ฒ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”
๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—ก๐—”๐—ก๐—ข๐— ๐—ฃ๐—ข๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ฆ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ฆ๐—”: ๐— ๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ญ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”-๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ฆ๐—œ๐—”
Niorina taminโ€™ny taona 2006 rehefa nahazo ny fankatoavana ara-panjakana, ny Espace Sanitaire Interentreprises d’Antananarivo (ESIA) dia mankalaza aminโ€™ity taona 2026 ity ny faha-20 taonany. Roapolo taona nanolorany tolotra natokana ho anโ€™ny fahasalamanโ€™ny mpiasa sy ny fianakaviany eto Antananarivo.
Ivotoeram-pitsaboana arakโ€™asa ho anโ€™ny fikambananโ€™orinasa ny ESIA, ary ireo orinasa mivondrona ao anatiny no tompony. Eo ambany fiahianโ€™ny Minisiteranโ€™ny Asa sy ny Fampanana asa (FOP) izy, ary miara-miasa akaiky aminโ€™ny Minisiteranโ€™ny Fahasalaman-bahoaka (MINSAN).
Manatanteraka ny andraikiny araka ny voafaritry ny lalร na 2003-1162 navoakanโ€™ny Minisiteranโ€™ny Asa ny ESIA, ka anisanโ€™izany:
Ireo andraikitra sahaniny
โ€ข Manara-maso sy manaraka ny toe-pahasalamanโ€™ny mpiasa (fitsaboana arakโ€™asa)
โ€ข Manome torohevitra sy fanentanana momba ny fisorohana sy fitandroana fahasalamana
โ€ข Manampy ny orinasa aminโ€™ny fisorohana ny loza eny an-toeram-piasana aminโ€™ny alalanโ€™ny fitiliana sy fanofanana
โ€ข Mitsabo ny mpiasa sy ny vady aman-janany
Mivoha 24 ora isanโ€™andro tsy miato ny ESIA, ahafahanโ€™ny mpikambana sy ny fianakaviany misitraka fitsaboana sy fanafody. Tafiditra ao anatinโ€™izany ny fitsaboana aretina mitaiza, na dia efa nisy talohanโ€™ny nidirana ho mpikambana aza ilay aretina.
Marihina anefa fa tsy hopitaly ny ESIA. Raha misy tranga mitaky fitsaboana hopitaly, dia alefa any aminโ€™ny hopitaly safidinโ€™ny marary araka ny fahafahany izy ireo.
Hetsika manokana ho fankalazana ny faha-20 taona – 2026.
Ho fanamarihana izao tsingerintaona izao dia hisy hetsika maro hotanterahina :
1. Fizahana maimaim-poana ho anโ€™ny besinimaro
o Fitiliana diabeta
o Fitiliana tosidrร 
2. Fanomezana rร 
o Hotanterahinโ€™ny mpiasa ESIA eny aminโ€™ny foibenโ€™ny rร  ao aminโ€™ny Hรดpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA)
3. Kilalao sy fanentanana ahazoana loka
o Eny aminโ€™ny ivotoerana ESIA Tanjombato, Ambohibao ary Antasahabe
4. Fitokanana ny trano vaovao
o Aminโ€™ny volana Aprily
5. Fanomezana mari-pankasitrahana ho anโ€™ny mpiasa ESIA
o Aminโ€™ny faranโ€™ny volana Aprily
6. Valandresaka momba ny Fahasalamana sy Fiarovana eny an-toeram-piasana
o Hotanterahina aminโ€™ny volana Jolay
o Natokana ho anโ€™ny orinasa, mpampiasa, mpiasa, komity misahana ny fiarovana, tomponโ€™andraikitra misahana ny mpiasa ary ireo mpisehatra aminโ€™ny fisorohana ny loza eny an-toeram-piasana
7. Kilalao fifaninana-kira ho anโ€™ny orinasa mpikambana
o Hifarana aminโ€™ny lanonana fanomezana loka ho anโ€™ireo mpandresy
20 taona niarahana nanatsara ny fahasalamana eny an-toeram-piasana
Aminโ€™izao fankalazana izao dia manamafy ny fanoloran-tenany ny ESIA aminโ€™ny fanatsarana hatrany ny fahasalamanโ€™ny mpiasa sy ny fiarovana aminโ€™ny loza eny an-toeram-piasana.
Misaotra ireo orinasa mpikambana, mpiara-miombonโ€™antoka ary ny mpiasa rehetra izay niara-nandrafitra sy nanohana nandritra izay 20 taona izay.

Related Post

๐Œ๐€๐๐€๐†๐€๐“๐€๐Š๐€ ๐๐˜ ๐‡๐€๐Œ๐ˆ๐“๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐ŸŽ๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐„ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ๐๐˜ ๐๐„๐โ€™๐๐˜ ๐“๐€๐๐€๐๐€๐โ€™๐๐˜ ๐๐„๐Œ๐€๐๐Ž๐๐†๐€

Posted by - fรฉvrier 16, 2025 0
๐™‰๐’š ๐’—๐™ค๐’๐™–๐’๐™– ๐™–๐’‘๐™ง๐’Š๐™ก๐’š 2022 ๐™ฃ๐’ ๐’๐™ค๐’•๐™ค๐’Œ๐™–๐’๐™–๐’๐™– ๐™ฃ๐’š ๐’…๐™ค๐’“๐™ฉ๐’๐™ž๐’“ ๐’‰๐™ค ๐™–๐’โ€™๐’๐™ฎ ๐™ค๐’๐™ž๐’—๐™š๐’“๐™จ๐’Š๐™ฉ๐’† ๐’‰๐™ค ๐™–๐’โ€™๐’๐™ฎ ๐™›๐’‚๐™ง๐’Š๐™ฉ๐’“๐™– ๐™ˆ๐’†๐™ฃ๐’‚๐™—๐’† ๐’Š๐™ฏ๐’‚๐™ฎ ๐™ข๐’‚๐™ฏ๐’‚๐™ ๐’‚ ๐’Ž๐™ฅ๐’Š๐™–๐’๐™–๐’•๐™ง๐’‚ 300 ๐’‰๐™–๐’•๐™ง๐’‚๐™ข๐’Š๐™ฃโ€™๐™ž๐’›๐™–๐’…