Rakotomalala Rossignol | Nosamborin’ny polisy roa lahy iraka avy ao amin’ny cybercriminalité

113 0
Nosamborin’ny polisy roa lahy iraka avy ao amin’ny sampana misahana ny « cybercriminalité » Anosy Antananarivo ary noentina niakatra any Antananarivo, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, ny alakamisy 28 desambra 2023, Rakotomalala Rossignol, mpanao gazety ao amin’ny Radio Zanagasy eto Manakara.
 
Antony nisamborana azy, voasoratra ao anatin’ny taratasy noentin’ireto polisy ireto : voalaza ho 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗱𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗸𝗼𝘀𝗼𝗸𝗼 𝗮𝗿𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗼𝗻𝘁𝘆 « 𝗳𝗮𝗰𝗲𝗯𝗼𝗼𝗸 »-𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗮𝘃𝗮𝗺𝗯𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮. 𝗧𝗼𝗵𝗶𝗻’𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗮𝗿𝗶𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮, 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗡𝗼𝗲𝗹𝘆 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝗵𝗶𝘁𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗼𝗮𝗳𝗮𝗱𝘆, 𝗻𝗶𝘃𝗼𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗼𝗻𝘁𝘆 « 𝗳𝗮𝗰𝗲𝗯𝗼𝗼𝗸 »-𝗻𝘆, 𝗻𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗿𝗲𝘀𝗮𝗯𝗲 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗯𝗮𝗷𝗼𝘁𝗿𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮.
 
➖ Manoloana izao raharaha izao, manaja ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Manatanteraka ny fomba fiasa MAMAFA : MAnadihady MAnamarina FAndraisana andraikitra. Manipika mazava araka izany fa manaraka akaiky izao raharaha izao ary vonona handray ny andraikitra manandrify, faritan’ny lalàna, raha toa ka misy antsojay politika ao ambadik’izao tranga izao.
➖ Raha tsiahivina, naharay antso ny mpanao gazety maromaro teto Manakara, fa hisy ny tafa amin’ny mpanao gazety momba ilay « publication » tamin’ny « facebook », tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro ny alakamisy 28 desambra 2023. Rehefa vory teo amin’ny toerana voalaza fa hanaovana ny fihaonana, ireto farany no tonga tampoka ny polisy mpanao fanadihadiana nisambotra an-dRakotomalala Rossignol.
➖ Niezaka nifampiresaka sy nitady vahaolana ny mpanao gazety, notarihin’ny Birao OJM Fitovinagny, ny hamitana ny fanadihadiana eto an-toerana ihany. Tsy nety ireo iraka, nohon’ny baiko ka noentina niakatra hatao famotorana any amin’ny biraon’ny polisy Anosy misahana ny « cybercriminalité » ihany Rakotomalala Rossignol.
Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Fampitam-baovao : Birao OJM Fitovinagny.

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲

Posted by - juillet 16, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 (𝖬𝖺𝗇𝖺𝗈 𝖾𝗓𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝗄𝖺𝗈𝗆𝗂𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗆𝖻𝗈𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗅𝖺𝗅𝖺𝗇𝖺) ✦ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny…