RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

93 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10 nanomboka ny 10 oktobra lasa teo.
Gasoil 7950 Litatra , Lasantsy 11410 Litatra ,moto_Pompes 08, moto 05 ,fiara 04 ireo no sarona. Camion citerne 04 ihany koa nogiazana.
Maka « gasoil « izy ireo ka tapohany pétrol ary amidy atao varo_maizina avy eo ka any amin’ny faritra Avatry Toamasina iny no amarotan’izy ireo izany.
Fiaraha-miasa teo zandarimariam_pirenena sy ny OMH noho ny fitarainan’ ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo no nahazoana ireto mpanao ratsy ireto.
Atolotra ny fitsarana anio 22 Oktobra 2024 izy 24 mianadahy ireto.Lalàna maromaro no azo anenjehana azy ireo raha ny fanazavana.
Loza mitatao ary mitera_doza ny tranga toy izao ka miantso fahamailoana ny avy eo anivon’ny OMH ary miantso ny mpanjifa mba hividy solika eny amin’ny toerana efa voatokana hanjifana izany.
📝M.Elvina

Related Post

Zava-baovao ao Farafangana | mitondra paikady hentitra hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ny Zandary

Posted by - juillet 4, 2025 0
𝐙𝐚𝐯𝐚-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐨 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚! 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐋𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐕𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 – 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 — Farafangana, 4 Jolay 2025 Nitondra fanantenana sy…

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…