RADO RAMPARAOELINA: MAMPALEMY NY MPANOHITRA NY FISIAN’NY VOAY MANANA TONGOTRA ROA.

138 0
 Misy voay mpikambana ao amin’ny fanoherana ka ny tongony iray hita ampahibemaso ao amin’ny fanoherana ary ny tongony iray any amin’ny fitondrana hoy ny mpikambana iray ao amin’ny antoko TIM, Rado RAMPARAOELINA.
 Maro ireo mpikaraman’ady politika ka mahatonga ny fahalemen’ny fanoherana hoy izy satria ny fivoriana ataon’ny mpanohitra dia voatatitra any amin’ny olona toherina ataon’ny sasany fakana vola.Notsipihany ihany koa fa efa nisy foana ny fikomian’ny vahoaka tamin’ireo fitondrana nifanesy teto amin’ny firenena saingy matoa mahazo hery na mahomby dia misy mpamatsy vola.
 Manoloana ny fanambarana samihafa ataon’ireo mpanohana ny fitondrana amin’izao akaiky fivoahan’ny valim-pifidianana izao kosa indray ,nanambara i Rado RAMPARAOELINA fa fanariana dia ny olona mba tsy hifantoka amin’io resaka fifidianana io no anton’izany .
Nasiany resaka ihany koa akoatr’ireo ny momba ny antso fifampidinihana tarihan’ny HPM-ACS-FMET-RIMM izay hanasana ireo hery velona eto amin’ny firenena, mila fantariana tsara hoy izy ireo antoko lehibe sy matanjaka fa raha tsy mandray anjara ireo dia tsy hisy akony.
📝 Nangonin’ i M.Elvina

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐈𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
𝐄𝐟𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 19 𝐓𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…