NitondraΒ fialan-tsiny ampahibemaso tao amin’ny kaonty Facebook-ny ny Pasitera, Christian Eric Rakotoniera manoloana ny fanelezany vaovao mahakasika ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena izay niteraka resa-be tato amin’ny tambajotran-tserasera.
« Noho ny fanaparitahana vaovao tsy mari-pototra teto amin’ny tambajotran- tserasera mahakasika an’Andriamatoa Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manao ny fialan-tsiny ny tenako. Tsapako fa tsy mety nyΒ fitondran-tena nataoko amin’ny maha Raiamandreny ara-panahy ahy ka hifonako amintsika rehetra Zanaka , Mpino, Zoky Ray aman-dreny izany, indrindra fa aminao Andriamatoa Filoha.
Tsy hananany porofo akory izay nolazainy ary tsy marina velively ny tsaho izay naheliny ka hifonana hoy hatrany izy noho ny korontana sy fanalam-baraka.