FIHAONAMBEN’NY LEHIBEN’NY SAMPAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY IFANAOVAN’NY SAMY OLON-TSOTRA

322 0
FIHAONAMBEN’NY LEHIBEN’NY SAMPAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY IFANAOVAN’NY SAMY OLON-TSOTRA : NISY FEHIN-KEVITRA NORAISINA. ASA MIANDRY NY TSIRAIRAY NY FAMPIHARANA IZANY RAHA NY NAMBARAN’NY MINISITRY NY FITSARANA, IZAY NAMARANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIHAONANA.
 
📌Zoma, faha-15 Marsa 2024.
Toliara, tapitra ny telo andro nanatanterahana ny Fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra  » Journée des Chefs de Juridictions Judiciaires ». Ny avy amin’ny Fitsarana Ambony anatin’ny Faritanin’i Toliara sy Fianarantsoa no niatrika izany. Maro ny teboka novelabelarina, nanaovana adihevitra ary nifanakalozana traikefa. Nandray anjara tamin’io fihaonambe io ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ka nilaza fa nisy ny fiaraha-mientana sy fahavononana hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana dia ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny fanandratana ny maha olona ary ny ady amin’ny kolikoly.
 
⭕Hamafisina ny fampiharana ny « Politique pénal », hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny Zandary sy ny Polisy miandraikitra famotorana. Asa miandry ny tsirairay ny fampiharana ny fehin-kevitra noraisina mba hahatratrarana ny tanjona kendrena. Marihana fa ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD no nentina nanatontosa ity Fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra, izay natao teto Toliara ity.
 

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐈𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
𝐄𝐟𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 19 𝐓𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…