Nidina ifotiny tany Miarimanjaka ny Prefet an’ Ambatondrazaka androany Zoma 09 Mey 2025 niaraka tamin’ ireo mpikambana ao amin’ny OMC Alaotra Mangoro sy ny taleparitry Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany sy ireo mpiaramiasa aminy, ny avy amin’ny fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro, ny solombavambahoaka ary ny ben’ny tanan’i Manakambahiny Andrefana.
Nisy araka izany ny fihaonana tamin’ireo mba ahafahana mametraka vahaolana maharitra mahakasika io ady tany io.
Efa nisy moa ny tratra tamin’ilay vono olona farany teo ary nametrahan « dΓ©tachement mixeΒ Β» ao antoerana hisoroana ny mety mbola hisian’ny korontana