Nitolo-batana teny amin’ny Polisy Tsaralalana ilay Talen-tsekoly..

76 0
Tohin’ilay resaka Tale namelaka tehamaina mpianatra tao amin’ny « Ecole privée Nirina » Ivandry.
 
Fantatra izao fa tsy niandry ela ilay ramose fa tonga an-tsitrapo tao amin’ny polisy « PMPM » Tsaralalalana taorian’ilay horonan-tsary niparitaka teto amin’ny tambajotra. Nohadihadiana izy mikasika iny tranga iny.
 
Hatreto aloha tsy mbola nazahoana fanazavana izay nitranga ka nahatonga ilay fikasihan-tanana hatreto fa raha ny horonan-tsary niparitaka no nampitenenina dia hita fa nobedesin’ilay Tale ilay ankizilahy mpianany ary nofelahiny.
 
Herisetra no nandraisan’ny maro izany. Herisetra ara-moraly ary ara-batana satria tafiditra tanteraka anatin’ny herinandro ho an’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha Vavy na ihany koa isika izao.
 
Noho io dia mandeha ny famotorana, izay raisin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana an-tanana.
 
Raha ny loharanom-baovao dia tsy mpanabe fotsiny ilay Tale fa tena tompon’ny sekoly tsy miankina io izy ary fanaony ny manadina ireo mpianatra ao an-tsekoly isa-maraina, ary tao amin’ny kilasy « 4 eme I » iny fikasihan-tanana iny no niseho.
 
Ankoatra ny maha-mpanabe azy dia mpanazatra amin’ny klioba lehibe izy ary mpitarika tanora mpilalao baolina kitra eny Ivandry eny ka tsy misy tsy mahalala azy eny an-toerana.
 

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…