Nifampizara Fitiavana ny Viavy Mpagnano gazety eto Toamasina

64 0
Toy ny fanao isan-taona, dia omaly omaly 24 Desambra 2024 no notanterahina ny fizarana  » panier garni » hoan’ireo Viavy Mpagnano gazety eto Toamasina  na ny ( VMT) izay tarihin’i Ramatoa Filoha Claudia TSITOLOMY.
Mba ahafahana miatrika ny fetin’ny Noely sy hitsenana ny taona vaovao. Akoho ,menaka,macaroni, spaghetti, ary sardines no nozaraina.
Natao indrindra izao, hanehoana ny firaisan-kina eto anivon’ity Fikambanana ity, ary hanasongadinana ny firaisan-kina izay tanjona lehibe hapetraka eto anivon’ny Fikambanana.
« Mitarika fotsiny no ataoko eto, ary tsy ezaka nataoko izaho samy irery no nahavitàna ny hetsika ,fa niarahana nifanome tanana tamin’ireo Viavy Mpanao gazety mivondrona anatin’ny Fikambanana. Ka izay no itondràko fisaorana ho azy ireo,izay tsy niraviravy tanana tamin’ny fampiroboroboana ny Fikambanana. » Hoy Ramatoa raha nandray fitenana fohy izy manoloana izao hetsika izao.
Mirary fety sambatra ho antsika rehetra,ary samy hotahin’Andriamanitra daholo eh.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA

Posted by - juillet 2, 2024 0
Morondava Nidina ifotony nitondra fanetanana sy fampianarana ho an’ireo mpampiasa lalana ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena Morondava manoloana ny fisian’ny…

Kaominina ambanivohitra Bemokotrà | Fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy

Posted by - mai 18, 2025 0
𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐝𝐚𝐯𝐚/𝐁𝐞𝐦𝐨𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚̀: 𝐍𝐢𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲. Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka…