Natomboka ny fotoam-piasana manokana eto anivon’ny Antenimeram-pirenena

176 0

Androany faha 09 Jolay 2024 no natomboka ny fotoam-piasana manokana eto anivon’ny Antenimeram-pirenena Malagasy. Saika ftonga nanatrika izany avokoa ireo Solombavambahoaka voafidy isaky ny distrika manerana an’i Magasaikara, ankoatr’ireo efa nandefa fialantsiny mialoha, toy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tany Antanifotsy, ny tany Antsiranana izay mbola eny an-dalana arak any fampitam-baovao, ary ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany amin’ny Distrika Vangaindrano, izay mbola any amponja.

Fantatra fa haharitra roa andro ity fivoriana tsy aram-potoana ity, ary hirosoana ny fananganana ny Birao maharitra, ny Vaomiera maharitra, ireo mety ho Vondrona parlementera sy ny fanavaozana ny Fitsipika anatiny mifehy an’izany Andrimpanjakana izany.

Mirary fahombiazana ho an’ireo Solombavambahoaka rehetra amin’izao fotoam-panaovan-dalana izao

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝔽𝕀𝕋𝕊𝔸ℝ𝔸ℕ𝔸, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐢-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…