Natomboka ny fotoam-piasana manokana eto anivon’ny Antenimeram-pirenena

311 0

Androany faha 09 Jolay 2024 no natomboka ny fotoam-piasana manokana eto anivon’ny Antenimeram-pirenena Malagasy. Saika ftonga nanatrika izany avokoa ireo Solombavambahoaka voafidy isaky ny distrika manerana an’i Magasaikara, ankoatr’ireo efa nandefa fialantsiny mialoha, toy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tany Antanifotsy, ny tany Antsiranana izay mbola eny an-dalana arak any fampitam-baovao, ary ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany amin’ny Distrika Vangaindrano, izay mbola any amponja.

Fantatra fa haharitra roa andro ity fivoriana tsy aram-potoana ity, ary hirosoana ny fananganana ny Birao maharitra, ny Vaomiera maharitra, ireo mety ho Vondrona parlementera sy ny fanavaozana ny Fitsipika anatiny mifehy an’izany Andrimpanjakana izany.

Mirary fahombiazana ho an’ireo Solombavambahoaka rehetra amin’izao fotoam-panaovan-dalana izao

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’ny Kaominina Anjeva Gara ny Kandida N°3

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐍𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐉𝐄𝐕𝐀 𝐆𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟑 – 𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐉𝐈𝐌𝐌𝐘 — Anio Alahady 26…