Commune Sabotsy Namehana | Ben’ny Tanana Jerôme RAKOTOMALALA, N°7

624 0
Maharesy lahatra olona maro ny Ben’ny Tanana Jerôme RAKOTOMALALA, laharana faha 6 ao amin’ny Bileta tokana ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ao.
Raha tsiahivina ny tantara, dai i Jerôme RAKOTOMALALA, no Kandida hatolotry ny Fikambanana Avotantsika Sabotsy Namehana na ny ASN, izay Fikambanana natsangan’Andriamatoa Avotraina Andriamosa, izaynitondra ny Commune Sabotsy Namehana nandritra ny 17 taona nifanesy, ary i Jerôme RAKOTOMALALA no Filohan’ny Mpanolontsain’ny tanana nandritr’izany.
« Ampy traikefa amin’ny fitantana Kaominina, tena tantsaha 100% ka mahalala tsara ny filàna ety anivon’ny tontolo ambanivohitra, ary manana fahalalana feno amin’ny fampandrosona ny tanana sy manana fifandraisana matotra amin’ny mpiara-miasa rehetra, izany rehetra izany mitambatra no mahatonga anay hifidy ary hampifidy an’i Jerôme laharana faha 6 ao amin’ny bileta tokana, hoy ny olona sendra nanontaniana teny Sabotsy Namehana teny.
Tsy hekely soroka aho, ary hanao ny aiko tsy ho zavatra hanatanteraka ny vina efa napetra, ary indrindra fa hanohy ny asa efa natombok’ i Avotraina Andriamosa hoy hatrany Jerôme rehefa nitafa tamin’ny Mpanao Gazetinay omaly.
Inona moa izany, fa voroamanga, tsidihin-dRainilovy ny tanana ny Sabotsy Namehana, ny mpitsidika mikalokalo, ny vangiana misiotsioka, ka masa-bary maito-kitoza, fa ny mpisakafo sisa no andrasana, koa FIDIO JEROME LAHARANA FAHA6 ny faha 11 Desambra 2024 ho avy izao.
Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’ny Kaominina Anjeva Gara ny Kandida N°3

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐍𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐉𝐄𝐕𝐀 𝐆𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟑 – 𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐉𝐈𝐌𝐌𝐘 — Anio Alahady 26…