Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatofotsy ny FSFLM Tanjombato,

243 0

Ho fanohizana hatrany ny fiarovana ny Tontolo iainana, dia nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatofotsy ny FSFLM Tanjombato, 272eme AVANA ARARATA Androany, 25 Novambra taona 2023 dia Zana-kazo miisa 2000 fototra no nambolen’ireo Firaisan’ny Skoto FLM, Tanjombato, 272eme Avana Ararata, teny amin’iny Faritra Ambatofotsy amin’ny lalam-pirenena fahafito iny.

Fantatra izany araka ny filazan’i Ramatoa : ANDRIAMBELONANAHARY Laingonirina, Izay Filohan’ny Sampana Skoto, ao amin’ny FLM TANJOMBATO Marihina fa fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Tsiafahy ity Fambolen-kazo ity.

Tonga niara-nisalahy tamin’ireo Skoto FLM ireto ihany koa Ramatoa Ben’ny Tanana, ary nambarany fa misy isan-taona ny fambolen-kazo, ary fotoany izao

Araka ny fanazavana nomen’i Ramatoa ANDRIAMBELONANAHARY Laingonirina hatrany dia mifanandrify indrindra amin’ny fankalazana ny faha 20 taona nijoroan’ny FSFLM Tanjombato ity hetsika ity, ary kinasa hiitatra hatrany. Ny fifanampiana, ny hira, ny lalao, ary ny fiainana an-tsaha izay fiainana iainan’ireto Skoto ihany koa dia hita taratra androany, ka nanao loloha lanitra izy ireo tamin’ny raharaha izay izay natao.

Ny sasany, maka rano, ny sasany mikarakara sakafo, izany rehetra izany dia natao tamim-pitsikitsikiana avokoa, araka ny lalana Tily hoe « MITSIKY SY MIHIRA NY TILY RAHA SENDRA NY SAROTRA »

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐌𝐢𝐥𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐑𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐏 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐕𝐢𝐥𝐥𝐞

Posted by - janvier 24, 2024 0
𝔸𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝔽𝕒𝕟𝕒𝕓𝕖𝕒𝕫𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕒𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕒𝕟𝕚𝕠.   Raisinay ho adidy manokana ny fanaovana izao tatitra izao amin’ny Fitondram-panjakana. Raha…