Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatofotsy ny FSFLM Tanjombato,

264 0

Ho fanohizana hatrany ny fiarovana ny Tontolo iainana, dia nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatofotsy ny FSFLM Tanjombato, 272eme AVANA ARARATA Androany, 25 Novambra taona 2023 dia Zana-kazo miisa 2000 fototra no nambolen’ireo Firaisan’ny Skoto FLM, Tanjombato, 272eme Avana Ararata, teny amin’iny Faritra Ambatofotsy amin’ny lalam-pirenena fahafito iny.

Fantatra izany araka ny filazan’i Ramatoa : ANDRIAMBELONANAHARY Laingonirina, Izay Filohan’ny Sampana Skoto, ao amin’ny FLM TANJOMBATO Marihina fa fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Tsiafahy ity Fambolen-kazo ity.

Tonga niara-nisalahy tamin’ireo Skoto FLM ireto ihany koa Ramatoa Ben’ny Tanana, ary nambarany fa misy isan-taona ny fambolen-kazo, ary fotoany izao

Araka ny fanazavana nomen’i Ramatoa ANDRIAMBELONANAHARY Laingonirina hatrany dia mifanandrify indrindra amin’ny fankalazana ny faha 20 taona nijoroan’ny FSFLM Tanjombato ity hetsika ity, ary kinasa hiitatra hatrany. Ny fifanampiana, ny hira, ny lalao, ary ny fiainana an-tsaha izay fiainana iainan’ireto Skoto ihany koa dia hita taratra androany, ka nanao loloha lanitra izy ireo tamin’ny raharaha izay izay natao.

Ny sasany, maka rano, ny sasany mikarakara sakafo, izany rehetra izany dia natao tamim-pitsikitsikiana avokoa, araka ny lalana Tily hoe « MITSIKY SY MIHIRA NY TILY RAHA SENDRA NY SAROTRA »

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐌𝐀𝐀𝐓𝐌 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐉𝐀𝐍𝐆𝐀 – 𝐓𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐬𝐚𝐡𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 22, 2024 0
𝐅𝐌𝐀𝐀𝐓𝐌 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐉𝐀𝐍𝐆𝐀 – 𝐓𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐬𝐚𝐡𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 (Nisitraka fampitaovana mamaly filana…