Ankatok’izao fankalazana ny Faha-75 taonan’ny FIZO na Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon’Olombelona, dia manao tohivakana ny fampahafantarana ireo Fikambanana, Sehatra tsy miankiana, sy ny maro tsy voatanisa.
Anisan’izany ny ASSOCIATION MAMIRATRA,izay fikambanana iray mijoro ara-dalana, miasa eto Madagasikara. Manana ny Foibeny ao amin’ny adiresy 073 G TER ambohibao antehiroka | Tel : 032 56 381 32 | e-mail: andrianarivelo2@yahoo.fr.
FANTATRA FA 2700 EO HO EO NY MPIKAMBANA ATO ANATINY, ankoatra ny eto Antananarivo, dia ahitana ny Association Mamiratra ihany koa any Faritra Vakinankaratra, sy Faritra Boeny.
Ankoatrin’ny asa sosialy izay efa asa fanaon’ny Association andavan’andro, dia misy ihany koa ireo asa fanampiana ny mpiara-belona eny amin’ny fiaraha-monina eny, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra.
Marihina moa fa nanatrika ny fihaonam-ben’ireo Mpiaro ny Zon’olom-belona natao teny amin’ny Olympia Madagascar teny Andohatampenaka ireo Mpikotra ato amin’ity Association ity androany
Tanterahina eto Fianarantsoa, anatin’ny 2 andro, manomboka androany 15 Febroary sy rahampitso 16 febroary ny atrik’asa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo…