Mandritsara | Fay rano ny Hôpitaly be

420 0

📌 Sahirana ny mpikarakara marary sy ireo mpitsabo ao amin’ny hôpital be eto Mandritsara noho ny tsy fisian’ny rano iasana ao amin’ny Hôpital. Fahanteran’ny fotodrafitrasa mamatsy rano fisotro no olana. Siny fitahiriazana rano efa tranainy, fantsona maro koa vaky izay tsy misy fikarakarana.

📌 Voatery manjifa rano ivelan’ny hopitaly rehefa misy asa maika ilana rano izay ireo mpitsabo, ireo mpitondra marary kosa tsy maintsy mivatsy rano avy an-trano. Ankatoko fahavaratra izao, mihena ny fahasahiranana manjo azy ireo satria mba misy rotsak’orana ka amin’iny no manararaotra maka rano entina iasana ireo mpitsabo.

📌 Ilaina ny fijerena akaiky zavatra izao ho an’ny tompon’andrainitra fanojo azy fa mihatra aman’aina ny zava-misy.

📌 Mety hanahirana mantsy reheha misy tera-bao kanefa tsy misy ny rano.

Nangonin’i Claudio – Sofia

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…