Tonga nitsidika ireo mpianatra zanakโi Vatovavy mianatra ao aminโny Oniversite Barikadimy, eto Toamasina, ny Solombavambahoaka voafidy tao Ifanadiana, Atoa Haja Dinah, nandritra ny fitsidihana nataony tato an-drenivohitrโi Atsinanana.
Taminโizany no nanolorany fanampiana mitentina 10.000.000 ariary ho tohana ireo mpianatra. Raha ny fanazavana nomeny, 4.000.000 ariary aminโizany dia avy aminโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblika, ary 6.000.000 ariary kosa avy aminy manokana aminโny maha-solombavambahoaka azy.
Ankoatra ny fanomezana ara-bola, dia nisy ihany koa ny hafatra fampaherezana nataony ho anโireo mpianatra. Nampirisika azy ireo izy mba hanohy hiezaka sy hifantoka aminโny fianarana, na dia eo aza ny fahasahiranana atrehinโny ankohonana sy ny fiainana andavanandro. โNy fahalalana no harena tsy mety ritraโ, hoy ny nambarany, ka nanamafisiny fa tsy fisehosehoana no anton-diany fa fanohanana avy aminโny fo sy finiavana hanampy ireo tanora ho tafita aminโny fianarana.
Nankasitraka ny hetsika kosa ireo solontenanโny mpianatra, nilaza fa manampy betsaka aminโny fiatrehana ny saram-pianarana sy ny fandaniana andavanandro izany fanomezana izany, indrindra aminโizao fotoan-tsarotra iainanโny maro izao.
Aminโny ankapobeny, hita fa mbola manan-danja aminโny fampandrosoana ny faritra ny fanohanana ireo tanora mpianatra, satria izy ireo no antenaina ho hery mpanangana ny rahampitso.




