Morondava sahirana ireo mpaka fisotroan-dronono

316 0

Tara vao tonga ireo missionaries ka niteraka fahasahiranana sy savorovoro teo amin’ny trésor Morondava androany, nisy efa tamin’ny 4 ora sasany maraina no naka laharana saingy nasaina nody ny atoandro fa nisy olana ny fiara ireo missionaries ka mety tsy ho tratra androany saingy niaritra teo ihany ireto zoky olona satria na saran-dalana hodiana aza tsy misy hoy izy ireo ka dia niaritra ny hain’andro sy ny hanohanana teo tamin’ny telo folak’andro vao tonga ny iraka ka niroso tamin’ny Fanamariahana ny teo anivon’ny trésor saingy nohon’ny fikorotanan’ny laharana dia tsy nandeha ny fizarana ny fisotroan-dronono ho an’ireo be antitra ireo.

Nilamina ihany anefa izany ka efa tamin’ny 4 ora sasany vao niroso tamin’ny fizarana ny vola ary nilaza ny tompon’andraikitra fa hiezaka hizara arak’izay tratra satria hiaraha mahalala koa ny fisian’ny délestage hoy izy ka izay vita hatramin’ny fahatapahan’ny Jiro no ezahina fa izay tsy tratra koa miandry alatsinainy.

Raha ny fanazavany Andriamatoa Simon izay missionnaire moa dia in-telo vaky kodiarana ny fiara nandehanany no nahatonga ny fahatarana izay tsara mahirina moa fa mandeha taxi brousse izy saingy nohon’ny olana teo amin’ny kaoperativa izay hafa no nisoratany anarana nefa kaoperativa hafa indray ny fiara rehefa handeha, ka raha niantso fiara hafa hamonjy aza dia tsy nisy, isany miteraka ny fahasimban’ny fiara moa ny haratsian’ny lalana mampitohy ny renivohitry ny faritra Menabe sy ny renivohitr’i Madagasikara koa mampitaraina ireo mpitatitra zotra Nasionaly sy mpampiasa iny lalana iny izay miteraka fatiantoka nohon’ny fahasimban’ny fiara sy fahatarana izay misy voka-dratsy maro toy ity tranga androany ity.

Ny toerana eo amin’ny trésore Morondava nefa tsy mba misy fijerena ireo zoky olona mpaka fisotroan_dronono ireto fa dia miharitra ny masoandro eo rehefa tonga ny fahavolon’ny volana izay handraisan’ireo ireo ny fisotroan-drononony.

Nangonin’i RaPà Menabe

Related Post

B I A N C O TOLIARA

Posted by - décembre 10, 2023 0
B I A N C O TOLIARA 20 Taona androany no nanaovana ny fifanarahana Iraisam-pirenena entina hiadiana amin’ny kolikoly.  …