AMBILOBE : HANANGANA FONJA VAOVAO NY FANJAKANA. NIJERY NY FIAINAN’NY VOAFONJA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

569 0
📌Zoma faha-10 Novambra 2023, nijery ny zavatra iainan’ny voafonja eto Ambilobe ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nandritra izany no nahafantarana fa folo no isan’ny voafonja eto ka Vehivavy ny efatra ary lehilahy ny folo. Izy ireo dia efa voatsara ary manefa sazy avokoa.
 
✔️Hanangana Fonja vaovao eto Ambilobe ny Fanjakana. Mandrapahavitan’ izany fotodrafitrasa vaovao izany anefa dia asiam-panamboarana aloha ny Fonja ankehitriny mba ho fanajana sy fiarovana ny zon’olombelona. Efa antitra mantsy ny trano nefa tsy nisy fanavaozana nandritry ny taona maro. Efa tonga nijery ny lafiny tekinika amin’ny fanatanterahana izany fanamboarana izany rahateo ny tekinisianina iraky ny Minisiteran’ny Fitsarana.
 
⭕Nandritra ity fitsidihana ity ihany koa no nanomezan’ny Minisitra toromarika ho an’ny Tompon’ andraikitra mitantana ny Fonja, mba hampiasa ny rezisitra amin’ny fomba tena matianina , nohon’ny fitantanana ny Fonja izay mifamatotra amin’ny asam-pitsarana, nohon’ny fitsarana vaovao eto Ambilobe efa misokatra ho an’ny Vahoaka.

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…