MAY NODORAN’NY FOKONOLONA NY TOBIN’NY ZANDARY AO ANKAZOMIRIOTRA

495 0

📌 May nodoran’ny fokonolona ny tobin’ny zandary ao Ankazomiriotra commune Ankazomiriotra distrikan’ny Mandoto; araky ny atso antarobia natao tamin’ny solombavambahoaka voafidy tao Mandoto RAKOTORAHALAHY Modeste na i Dadamody anio 17 Febroary 2024 dia nisy lehilahy iray monina ao amin’ny fokontany Ivory commune Vinany izay nanandraharaha tany amin’ny fitsarana ka tsimaintsy nampanantsoina,efa nampanantsoina in_3 ity lehilahy ity saingy tsy nipoitra; voatery nankany antoerana ireo zandary nitady azy, rehefa Tonga tany anefa izy ireo ka hitan’ity lehilahy ity dia nirifatra nitsoaka,efa nanao fampitandremana na sommation ireo mpitandro filaminana ny hijanonany fa mbola nanohy ny diany nitsoaka ihany Ilay lehilahy hany ka voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana,tsy tana ny ainy na dia efa nentina nialana nenina tany amin’ny hopitaly aza

📌  Tezitra noho izany ny fianankaviany ka nitondra ny razana Teo anoloan’ny biraon’ny zandary ,rehefa nahita izany ireo fokonolona dia norohotra nandoro sy namotika izay sendra azy teo
na dia nanao izay fomba rehetra nanakanana azy ireo aza ny solombavambahoaka sy ny commandant de brigade tao antoerana dia tsy nahatohitra ireto fokonolona marobe

📌  Vokany ; moto 05 no may,bicyclette 01, fiara Kangoo 01,solosaina sy ny dossier ary ny fitaovana maro samihafa

📌  Nanomboka tamin’ny 8 Ora maraina teo no nitrangan’izany ary tsy niravona raha tsy tamin’ny 12ora atoandro

📌  Efa Tonga any antoerana kosa ireo mpitandro filaminana aviao Antsirabe sy Mandoto amin’izao fotoana izao mandamina ny raharaha

Andrasana ny mety ho tohiny

  Nangonin’ny Ny Aina

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…