MAY NODORAN’NY FOKONOLONA NY TOBIN’NY ZANDARY AO ANKAZOMIRIOTRA

671 0

📌 May nodoran’ny fokonolona ny tobin’ny zandary ao Ankazomiriotra commune Ankazomiriotra distrikan’ny Mandoto; araky ny atso antarobia natao tamin’ny solombavambahoaka voafidy tao Mandoto RAKOTORAHALAHY Modeste na i Dadamody anio 17 Febroary 2024 dia nisy lehilahy iray monina ao amin’ny fokontany Ivory commune Vinany izay nanandraharaha tany amin’ny fitsarana ka tsimaintsy nampanantsoina,efa nampanantsoina in_3 ity lehilahy ity saingy tsy nipoitra; voatery nankany antoerana ireo zandary nitady azy, rehefa Tonga tany anefa izy ireo ka hitan’ity lehilahy ity dia nirifatra nitsoaka,efa nanao fampitandremana na sommation ireo mpitandro filaminana ny hijanonany fa mbola nanohy ny diany nitsoaka ihany Ilay lehilahy hany ka voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana,tsy tana ny ainy na dia efa nentina nialana nenina tany amin’ny hopitaly aza

📌  Tezitra noho izany ny fianankaviany ka nitondra ny razana Teo anoloan’ny biraon’ny zandary ,rehefa nahita izany ireo fokonolona dia norohotra nandoro sy namotika izay sendra azy teo
na dia nanao izay fomba rehetra nanakanana azy ireo aza ny solombavambahoaka sy ny commandant de brigade tao antoerana dia tsy nahatohitra ireto fokonolona marobe

📌  Vokany ; moto 05 no may,bicyclette 01, fiara Kangoo 01,solosaina sy ny dossier ary ny fitaovana maro samihafa

📌  Nanomboka tamin’ny 8 Ora maraina teo no nitrangan’izany ary tsy niravona raha tsy tamin’ny 12ora atoandro

📌  Efa Tonga any antoerana kosa ireo mpitandro filaminana aviao Antsirabe sy Mandoto amin’izao fotoana izao mandamina ny raharaha

Andrasana ny mety ho tohiny

  Nangonin’ny Ny Aina

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 (𝖬𝖺𝗒 𝗇𝗒 𝗏𝗈𝗅𝖺 𝗂𝗄𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇`𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺) ✦Kilan`ny afo ny…