MANDRITSARA – 7 LAHY NIRONGO LEFONA, ANTSY LAVA LELA, NANAFIKA TOKAN-TRANO IRAY TAO ANTSIROMBATO

149 0
✦Olon-dratsy fito lahy no nanafika tokantrano iray tao Mahamamo Antsirombato kaominina Antsoha ny alin`ny sabotsy 10 aogositra 2024 tokony tamin`ny 11 ora. Niditra ankeriny ireo olon-dratsy ka nitaky volabe, tsy misy vola angatahina izay anefa ilay tompontrano ka ny omby tao ampahitra no nentin`ny jiolahy ireto.
Naratra teo amin`ny tava ilay rangahy voaroba noho ny herisetra nanjo azy.
•Nandeha ny fanomezam-baovao tamin`ny fiarahamonina ka tratra tao Ambohimandroso Mandritsara renivohitra ny iray tamin`ireo tompon`antoka tamin`ny asa ratsy ity. Efa ampelatanan`ny mpitandro filaminana lehilahy iray ity rehefa azon`ny fokonolona. Olona iray hafa no efa voatazona amin`ny kaomisaria Mandritsara raha ny loharanom-baovao voaray.
Tsy ahiana ny ain`ilay naratra voaroba, efa manaraka fitsaboana ao amin`ny Hopitaly Vaovao Mahafaly rahateo izy.
Nangonin’i Claudio

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…