MANDRITSARA – 7 LAHY NIRONGO LEFONA, ANTSY LAVA LELA, NANAFIKA TOKAN-TRANO IRAY TAO ANTSIROMBATO

317 0
✦Olon-dratsy fito lahy no nanafika tokantrano iray tao Mahamamo Antsirombato kaominina Antsoha ny alin`ny sabotsy 10 aogositra 2024 tokony tamin`ny 11 ora. Niditra ankeriny ireo olon-dratsy ka nitaky volabe, tsy misy vola angatahina izay anefa ilay tompontrano ka ny omby tao ampahitra no nentin`ny jiolahy ireto.
Naratra teo amin`ny tava ilay rangahy voaroba noho ny herisetra nanjo azy.
•Nandeha ny fanomezam-baovao tamin`ny fiarahamonina ka tratra tao Ambohimandroso Mandritsara renivohitra ny iray tamin`ireo tompon`antoka tamin`ny asa ratsy ity. Efa ampelatanan`ny mpitandro filaminana lehilahy iray ity rehefa azon`ny fokonolona. Olona iray hafa no efa voatazona amin`ny kaomisaria Mandritsara raha ny loharanom-baovao voaray.
Tsy ahiana ny ain`ilay naratra voaroba, efa manaraka fitsaboana ao amin`ny Hopitaly Vaovao Mahafaly rahateo izy.
Nangonin’i Claudio

Related Post

𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘

Posted by - avril 14, 2024 0
💢 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐓𝐑𝐎𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐈𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀…