MAHAJANGA – OLONA 40 NIKASA HIONDRANA AN-DRANOMASINA ANTSOKOSOKO SARON`NY ZANDARY

234 0
Teratany Somaliana 36, Etiopiana iray, Kaomoriana iray ary teratany Malagasy roa vavy nikasa hiondrana an-tsokosoko no saron’ny zandarimariam-pirenena misahana ny sisin-dranomasina sy ny seranan-tsabo eto Mahajanga omaly alin’ny alahady 5 janoary 2025. Efa teny am-povoan-drano ny ampahan` olona tratra ireto.
Teny amin’ny ranomasin’ny Village touristiques izy ireo no sarona tokony tamin’ny 10 Ora alina. Tanana hatao fanadihadiana eny anivon’ny tobin’ny zandarmariam-pirenena ireto mpandeha an-tsokosoko ireto.
Ilay tefitefy kosa nogiazana eo anivon’ny Brigade Port Mahajanga.
Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny sampana fikarohana heloka bevava Mahajanga.
Nangonin’i AMPISAFIN’I BOENY

Related Post

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝑵𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑶𝑭𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑵𝒀 𝑴𝑶𝑭𝑶𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑶 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑵𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 ᴀʟᴀʀᴏʙɪᴀ…