KOMITY IOMBONAN’NY MPIASA MALAGASY (K.I.M.M): TONGA NY FOTOANA HAMETRAHANA NY MPIASA MALAGASY AMIN’NY TOERANA MENDRIKA SY SAHAZA AZY.

249 0

🔴Hanantanteraka fihaonamben’ny mpiasa malagasy ny K.I.M.M na Komity Iombonan’ny Mpiasa Malagasy ny Sabotsy 07 septambra ho avy izao eny Antsahamanitra manomboka amin’ny 09 ora maraina.

🔴Tsapa sy hita mantsy fa marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ary mahantra ny mpiasa hoy izy ireo androany ka fotoana izao hametrahana ny mpiasa malagasy amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy.

🔴 Hetsika natokana ho an’ny mpiasa malagasy iray manontolo mba hanambarany ny maharary azy any amin’ny toerana iasany sy hanolorany soson_kevitra sy vahaolana mifanandrify amin’izany.

🔴 Hisy ny fehin_kevitra haravona ka hatsangana ny delegasiona izay ahitana solontenan’ireo mpivondrona rehetra ka io delegasiona io no mitondra ny fehin_kevitra any amin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy any amin’ireo mpiara_miombon’antoka.

🔴 Ahitana ireo sendikan’ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana,ny mpiasa mahaleotena,ny tantsaha, ny tsy an’asa,mpanjifa,ny mpiasam_panjakana misotro ronono ary ireo mpisotro ronono ao amin’ny CNAPS no mivondrona ao anatin’ny K.I.M.M.

📝M.Elvina

Related Post

𝗭𝗔𝗡𝗗𝗔𝗥𝗠𝗜𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗧𝗢𝗕𝗜𝗠-𝗣𝗜𝗟𝗘𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗘𝗡𝗔𝗕𝗘

Posted by - juin 21, 2024 0
𝘕𝘰𝘵𝘰𝘵𝘰𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 21 𝘑𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘪𝘢𝘯𝘫𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘮𝘱𝘦𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘔𝘰𝘳𝘰𝘯𝘥𝘢𝘷𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘰𝘮𝘢𝘯𝘥𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘯𝘥𝘢𝘳𝘪𝘮𝘢𝘳𝘪𝘢 𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺 𝘙𝘢𝘬𝘰𝘵𝘰𝘮𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘵𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢…