Kaominina Ambohimangakely | Fambolen-kazo sy diabe namakivaky ny tanana no nentina nanamarihana ny andron’ny 08 Marsa 2024

124 0

Kaominina Ambohimangakely | Fambolen-kazo sy diabe namakivaky ny tanana no nentina nanamarihana ny andron’ny 08 Marsa 2024

Ho fanamarihana ny Andron’ny 08 Marsa taona 2024, dia nisy ny Diabe namakivaky ny tanana notontsosaina teto amin’ny Kaominina Ambohimangakely.

Tiana ny manamarika fa ity hetsika ity, dia notarihin’i Ramatoa Vadin’ny Ben’ny Tanana, izay mpitantana ny Association SOA.

Ankoatry ny vehivavy Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ovaintsika ny Tanana sy ireo Vehivavy Mpiasan’ny Kaominina, dia maro ireo Fikambananm-behivavy nandray anjara tamin’ity diabe ity, tsy vitsy koa ireo Orin’asa, Fikambanana sy sekoly tsy miankina, Vadin’ireo Mpitandro filaminana.

Taorian’izay, dia niara nirohotra namboly hazo teny amin’ny tany malalaka eny Betsizaraina ny rehetra, izay notarihin’Andriamatoa Radafy Thiery na i Bota.

Fantatra fa Zanan-kazo miisa 1500 teo ho eo no voatsatoka, kanefa mialohan’ny fanatsatohan izany zanan-kazo izany dia nisy ny toro-marika avy amin’ireo Teknisianina iraky ny Ministera.

Tanjona manokana amin’izao hoy Ben’ny tanana raha nanontaniana, dia ny hamerenana indray ho tontolo maintso an’i Madagasikara.

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…