Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà sy ny Solombavam-bahoaka Madagasikara, voafidy tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny tanànan’Antanadava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisy lanonana tsy manam-paharoa tahak’izao, indrindra tamin’ny fitokanana tsena, izay natao isaky ny andro Alahady.
Nanararaotin’Atoa ben’ny tanàna any kaominina voalaza etsy aloha hatrany ny fanomezana » Dabilio-Don tablanc Epp Antanadava, » ho fanohanana ny fanabezana any an-toerana. Nofaranana tamin’ny kabary nifandimbiasana sy fiarahana nihinana nofokena mitam-pihavanana, ary Moraingy watsa sy ny Bal ny lanonana rehetra teto.
Fitoriana Filazantsara sy famoahana devoly Ary fanasitranana ho an’ny marary niarahana tamin’ny Envanjelista DAG Heward Mills tao amin’ny stade Manarapenitra…
Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny « Journée Internationale des Femmes Rurales » (JIFR). Fotoana ahafahan’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa fambolena sy…
Namangy sy nitondra fampianarana mahakasika ny Teolojian’ny Hazofijaliana teto amin’ny SALT ny Rev. Shauen Trump, mpiandraikitra ny fitoriana ny filazantsara…