Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro | Kara-tany miisa 897 no voazara

414 0
Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro | Kara-tany miisa 897 no voazara
Natolotra androany tao Vohilava,CR Antetezambaro ny Kara-tany miisa 897. Ireo mponina ao anatin’ny CR Antetezambaro no nisitraka izany.
Ezaka ataon’ny Fitondram-panjakàna ny fanamorana ny fisitrahan’ny vahoaka ny tany,ka tafiditra amin’izany ity fizaràna kara-tany faobe ity.
Nanome voninahitra izany lanonana fizaràna kara-tany izany ireo Solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Toamasina II.
Notokanana androany ny tranon-tsekoly vaovao ao Vohilava ,Fokotany Marotanindrazana,CR Antetezambaro.
Nahatsapa ny Ben’ny Tananan’ny CR Antetezambaro Atoa Andriamihaja Jeannot Desiré fa laharam-pahamehana ny hanamboarana tranon-tsekoly vaovao ao antoerana, ka izay no antony nanaovana ity tranon-tsekoly vaovao ity. Vola avy amin’ny kaominina no nanamboarana sy nampitaovana io tranon-tsekoly io.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo Solombavam-bahoaka roa ,voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Toamasina Faharoa,Atoa ROILAHY Jonah sy Atoa Randrianary Thierry Didier.
Ny Lehiben’ny Cisco Toamasina II,Atoa Guy Hervé Iarison dia nanolotra fisaorana sy nidera ny ezaka vitan’ny Ben’ny Tananan’ny CR Antetezambaro,indrindra fa amin’ny Lafiny fanabeazana.
 » Hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana azon’ny mpianatra satria hampirisika azy ireo hianatra tsara ny fisian’ny foto-drafitr’asa toy izao » hoy izy.
Nangonin’i Claudia TSITOLOMY

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - février 3, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐂 𝐑𝐀𝐕𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…