JIRAMA AMBOSITRA | Mihamafy ny resaka delestazy hoan’Ambositra renivohitra

240 0
Ora vitsy sisa no andehan’ny jiro anatin’iray andro nanomboka ny 3 jolay raha nisy faritra tena tsy nahitana jiro tao anatin’ny 24 ora
Vokatr’izany dia nisy ireo andian’olona nitokona, nilanja sora-bavety nitaky ny fiverenan’ny jiro anio sabotsy
Araka ny fantatra teo anivon’ny Jirama dia olana teknika vokatry ny fahasimban’ny groupe no nahatonga ny fahatapahana lavareny eo ihany koa ny fahataran’ny fahatongavan’ny solika
Nilaza ny teo anivon’ny Governora fa hisy izay solika tonga izay anio 6 jolay amin’ny 5 ora hariva!
Manao ahoana kosa ny olana ara-teknika??
HITA NY VAHAOLANA 
Taorian’ ny fifampiresahana tamin’ny DG JIRAMA tamin’ny alalan’ny antso an- téléphone dia toy izao ny vahaolana
– Efa ho Tonga ny carburant voalohany androany tolakandro handefasana ny groupe iray mbola velona ao
– Handeh alohan’ny maizin’andro androany ny groupe iray faharoa izay amboarina eto an- toerana
– Tokony ho Tonga amin’y Talata ny groupe faha 3 izay namboarina any Antananarivo
– Amin’ny faran’ny herinandro Dia tokony handeha daholo ny groupe 4 ary tsy tokony hisy délestage intsony
Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…