Β« π»ππππ ππ§ππ¦ βπβπ πΉπΎπ ππππ‘ππππππ ( πΉπΎπ πππππ‘π) ππ¦ πΉπππππ‘πππ¦ π‘πππ‘πππππ πβπ, π ππ‘πππ π‘ππ‘π ππ ππ ππβππππ‘π πβππβππ¦ π‘ππ£πππππ, ππ βππππππ π ππ§ππ¦ ππππ ππβπππ§πππ πβπ βππ‘πππππ πππππππ ππππ, ππππππ£ππππππ ππ§πππ¦ πΉπππππ‘πππ¦ π΄πππ ππ§ππ‘π π΄π‘π πππππ ππ§πππ¦, π‘π π¦ βππ‘ππππππππ βππ ππ πππππ, π‘π π¦ βππ‘ππππππππ βπππππ, πππ¦ βππππππ ππππ ππ¦ ππππππβπππ§πππ ππππππ‘πππ βπβππ‘πππ‘πππππ ππ π£πππ πππππ‘ππππ ππ. Β»
Raha bangoina tokana dia io no azo hamintinana ny resaka nifanaovanay taminβAndriamatoa Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA, izay Filohanβny FKT Anosizato Atsinanana, fantatra sy hita taratra tokoa ny ezaka hataony, ary samy mahatsampa izany avokoa ireo mponina eny aminβity Fokontany ity.
Fa ankoatrβizay, dia misy ihany koa ny fanavaozana ny sekoly izay tanterahina eny an-toerana, ka araka filazanβity farany, dia volanβny FKT madiodio no nentina nanatanterahina izany, andaniny koa anefa dia efa mandeha hatrany ihany koa ny fanadiovana sy fisonkirana ireo lakan-drano manerana ny tanana.
Anisanβny vaindohan-draharaha imasoanβity FKT ity koa anefa fametrahana ny fandriam-pahalemana, fandaminana ireo olana madinidinika eny anivonβny fiaraha-monina.
Tsy mora ny manarina, ary tsy omen-tsika vahana ny ratsy, fa hiady hatraminβny farany isika, ho tombontsoanβny vahoaka, hoy hatrany izy manohy ny teniny,
Marihina, fa sady Mpitantana Orinβasa, no mpitarika fiaraha-monim-pirenena i Andriamatoa Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA, ary izao voatendry hitantana ny FKT Anosizato Atsinanana izao.