COMMUNE RURALE TALATA VOLONONDRY, NANDRAY NY FIVORIAM-BEN’NY SMMEC

491 0

Notanterahina ny sabotsy faha 16 Desambra 2023 lasa teo teny Talata volonondry ny Assemblé Général Ordinaire NY SMMEC ny, ( AGENCE  TAMBATRA.)

Ny SMMEC, dia fanafohizana ny hoe Société Malagasy Mutualiste d’Epargne et de Crédit, 

Maro no lohahevitra nodiniana tao ;

  • toy ny tatitra ara bola ny taona 2022 (vina 2024) ,
  • fankatoavana ny vokatry ny vokatry ny fitantanan’ny olom-boafidy sy ny maro tsy voatanisa etoana

Fa ankoatr’ireo tatitra isan-karazany ireo, dia tamin’io fotoana i ihany koa no nitondran’ireo Mpikambana ny hetaheta sy ny maharary azy ireo teo anatrehan’ireo Mpikambana marobe.

velo-taraina koa izy ireo noho ny fanemorana lava nyfotoama-pifidianana hatrany , satria fantatra fa tokony  natao ny Volana Novambra 2023 lasa  teo kanefa dia nahemotra, ary nahemotra hatrany. Nohamarin’ireo nandray fitenenana rehetra anefa fa efa tapitra tanteraka ny fotoam-piasan’ireto Mpitantana ireto, manoloana izany indrindra  dia mitaky ny hisian’ny  hanaovana ny fifidianana haingana arak’izay azo hatao izy ireo.

Manoloana an’io fitazaroan’ny tsy fisian’ny fifidianana io, dia lasa miteraka tsy fahatokisana an’ireto Mpitantana ireto ireo maro an’isa ato anatin’ny fikambanana,vokany somary niteraka savorovo kely nandritra ny fotoam-pivoriana izany.

Nilamina ihany mo any raharaha rehefa ela nifampiresahana ny andaniny sy ny ankilany.

Nirava ny fivoriana rehefa nipaika ny tamin’ny 2.30 tolak’andro, amin’ny ankapobeny nilamina iny fivoriana iny. Vita avokoa ny tatitra nokasain’ireo Birao Mpitantana natao.

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲

Posted by - octobre 25, 2025 0
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 —-…