Vita androany ny fifamin_drampitatana teo amin’ny Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Alaotra_Mangoro

431 0

✅Tontosa androany Zoma 01 Febroary 2024 tao amin’ny tranobean’ny Serasera sy Kolontsaina Masinjara Ambatondrazaka ny lanonana fifamindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny Kolontsaina sy ny Serasera teo aloha Andriamatoa René Julio sy ny talem-paritra vaovao Andriamatoa Fetra Andriatsialonona.

✅Ny lanonana dia natao teo amban’ny fitarihan’ny Préfet an’Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA Dieudonné ary nontronon’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy sy olo manakaja sivily sy miaramila ary ireo fianakaviana.

✅ Nitanisa ireo asa vitany ny talem-paritra teo alohana ary nitso-drano ny talem-paritra vaovao raha nisaotra tamin’ireo asa sy ezaka vitan’ny teo aloha kosa ity farany sady namariparitra ireo asa maika sy fanatsarana ho atao eo anivon’ny fitalevam-paritra na io eo amin’ny lafiny serasera na ny resaka Kolontsaina.

✅Nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana indrindra fa ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian ary ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina moa ny tale vaovao amin’izao fametraham-pitokisana natao taminy izao ary nanentana ireo mpiara miasa amin’ny sehatry ny serasera na miankina na tsy miankina mba hiray saina amin’ny fijerena ny tombotsoa iombonana ary nanetana ireo mpisehetra amin’ny kanto ihany koa amin’ny fiaraha-miasa fa vonona hanohana azy ireo ny fitalevam-paritra izay efa manana ny tranobe Masinjara natokana ho an’ny Kolontsaina sy serasera.

Nangonin’i Lova – Ambato

Related Post

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…

Hahazo CSB II ny FKT Soamahamanina

Posted by - novembre 12, 2023 0
Nanatanteraka fivoriana manokana tao amin’ny FKT Soamahamanina,Tsiroamandidy androany alahady 12 Novambra 2023.   Fivoriana manokana izay miompana indrindra tamin’ny fanentanana…