HOPITALY MIARAMILA ANTSIRANANA : NAHAZO FAMPITAOVANA AVY AMIN’NY LIONS CLUB INTERNATIONAL.

224 0
Nanolotra fitaovam- pitsaboana ho an’ny Hopitaly Miaramila ( HOMI) eto Antsiranana ny Fikambanana « Lions Club International « , eto Antsiranana izay tarihin’ny Filoha Docteur BARIVELO Diazan.
« Échographie » ( 1) na fitaovam- pizahana fahasalamana , sy fanafody maro isan- karazany miisa 19 « carton  » entina hitsaboana ny marary no natolotra androany Zoma 06 Jona 2025.
Tsy hijanona amin’izao ny fiaraha- miasa eo amin’ny Lions Club International sy ny HOMI eto Antsiranana hoy ny fanazavan’ny Filohan’ny Lions Club eto an- toerana fa mbola hifohy hatrany.
Manana olana amin’ny herinaratra ( JIRAMA ) anefa ity hopitaly ity , indrindra amin’izao fahatapatapahan’ny Herinaratra izao satria mbola miankin- doha amin’ny JIRAMA hatreto.

Related Post

𝐏𝐑𝐄𝐅𝐄𝐊𝐓𝐈𝐎𝐑𝐀𝐍’𝐈 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑶𝑹𝑰𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑷𝑶𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑵𝑲𝑨𝑷𝑶𝑩𝑬𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑱𝑨𝑲𝑨𝑵𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑵𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒀…