π…πšπ§π¨π‘πšπ§πšπ§πš 𝐧𝐲 π’πžπ«πšπ¬πžπ«πš: π…π’π­πšπ¨π―πšπ§πš 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐒𝐧𝐨 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐣𝐞𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 πšπ§β€™π’ 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚

365 0
Ho fanamafisana ny ezaka fanentanana sy fampandrosoana an’i Madagasikara, dia nisy andiana fitaovana natolotra ho fanohanana ireo fantsona fifandraisana sy haino aman-jery eto amin’ny firenena.
Anisan’ny fitaovana noraisina androany ny solosaina avolenta, vata fahitalavitra, fakan-tsary mihetsika, ary β€œtable de rΓ©gie”, izay ho fanatsarana ny kalitaon’ny famokarana sy ny fandraisam-peo amin’ny endrika nomerika. Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, no nandray izany tamin’ny fomba ofisialy.
Ireo fitaovana ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay nanolotra izany ho fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana ho an’ny haino aman-jerim-panjakana.
Ho an’ny fanapariahana mivelatra sy mitovy lenta, dia hisitraka izany ireo rantsa-mangaikan’ny minisitera manerana ny faritra. Nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa andrasana ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo haino aman-jery tsy miankina, indrindra ireo mandray anjara mavitrika amin’ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana ary kolontsaina.
β€œEzahina ny hanome lanja sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jery rehetra miara-miombon’antoka amin’ny fanabeazana sy fampandrosoana ara-tsaina sy ara-kolontsaina eto Madagasikara,” hoy Ramatoa 𝐌𝐚𝐫𝐚 𝐕𝐨π₯𝐚𝐦𝐒𝐫𝐚𝐧𝐭𝐲 πƒπ¨π§π§πš nanamafy.
Nangonin ‘Lay Mahitsy
πŸ“· : MSK

Related Post

π…πˆπ“π€π‹π„π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€

Posted by - avril 16, 2025 0
π…πˆπ“π€π‹π„π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ π‚πˆπ’π‚πŽ π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€/ 𝐙𝐀𝐏 π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ πŽππ† « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 πŒπ€πˆπΒ Β»/ π…πŽππƒπ€π“πˆπŽπ π€π—πˆπ€π/π˜π€π’ 𝑡𝑢𝑻𝑢𝑲𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑡𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…